Entrée | 1 Ilay ony |
Mots élémentaires | 2 ilay, 3 ony |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Rafanoharana |
Texte complet |
7 Variana ny masoko, gaga ny saiko, 8 Mahita'ty ony mandalo tanàna: 9 Milamim-pisosa toa efa voabaiko, 10 Manatona ihany an'ilay fiafarana. 11 Ny onja madinika, indreny misangy, 12 Toa ondry aman'osy mifalihavanja; 13 Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby 14 Mirona malako fa mana-mpilanja. 15 Ilaozako anefa'lay toerako teo, 16 'Ty ony malaza arahiko an-kiry: 17 Injany any erà ô! henoko feo, 18 Dia feo mahatahotra, feo makadiry! 19 Tsy ela dia hitako eo anoloako. 20 'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany; 21 Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako, 22 mamorona avana kanto aoka izany! 23 Miorika ihany hatrany hatrany, 24 Tsy miato ny diako manaraka ny ony 25 Satria te-hahita izay fiandohany, 26 'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony, 27 Dia iny'lay ony mihena, mihena, 28 Mihena miandalana sy mihakely; 29 Tanety vakiny - endre! raha jerena, 30 Fa mavana, maitso, toa " sahan'anjely " . 31 Ny omby aman'ondry darofan'ny andro, 32 Indreo fa misotro, mimà dia mitraka; 33 Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro 34 (Ireo tsy mba sahy mikatroka daka) 35 Mihena tsy hitan'ny masoko intsony 36 Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga: 37 Endrey! zary tatatra manko ilay ony, 38 Dia tatatra kely toa mena-mitranga ! 39 Dia hitako farany'lay loharano 40 Miboika dia miboika ambanin'ny vato; 41 Ny vato mivoaka eo manganohano; 42 Miboika dia lasa, mandeha tsy miato. 43 Indreny ny vorona, ireo voron'ala, 44 Misotro, variana, dia miara-mikalo 45 Miadam-pinaritra, tsy salasala, 46 Fa lavi-mpanenjika sy fahavalo. 47 Mandeha ny saiko mihevitra izany: 48 Nahoana aho re no kivy mazàna? 49 'Lay ony kanefa he'ty fiandohany 50 Mba kely ny bitika saro-jahana. 51 Ry foko, mionona ka aza tomany; 52 Raha toa mavomavo tsy fantatra akory, 53 lanaro ny ony, mitombo hatrany; 54 Ho resy miandalana ny andro mahory! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |